Top Search

LyricsCopy.com

Fo vaovao

by Mage 4

lyricscopy.com
Fo vaovao - Mage 4

Tsy mety mionona intsony ´lay fitia
Tsy mety fa mitroatra
Tsy mety mitony f´efa babonao
´Zay rehetra atao tsy very dia aho
F´ianao tiako loatra
Ny eritreritro rehetra manaraka anao

´Reo teny mafy fanaoko toa nandratra
Nihafinao hatrizay
Ny fihetsiko toa tsy nitory fitia
Bedibedy koa haiko fa tsy zaka
Dia raozy ankiray
Noheveriko fa ampy hampionona an-dry

Sokafy ny fonao mba hidirako
F´ianao irery ihany no afaka halala
Marary anatiko ao ka mila tsy tantiko
Fantatrao ihany izay tia adala

Tia ka mahafoy anao aho
´Zay rehetra nankarary anao
Nefa niniako foana mbola natao
Hadinoy fa ny foko dia hiova vaovao

Ato anatiko mahamay tsy tanty
´Lay fitia ho anao
Tsy hay tohaina, tsy hay atao
Fa ny fo babo loatra tsy mahatanty
Tsy mahay hatrizao
Atao ahoana no tianao hitiavako anao

MAGE 4
Browse Artists :

# A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z

Karaoke : Backing tracks & videos - Karaoké files

Karaoke Fun !